KAOMININA ANDRANONAHOATRA

Zazalahy kely am-polony no noforaina maimaim-poana


  • Talata 02 Jolay 2024

Toy ny kaominina rehetra dia nanatanteraka famoran-jaza faobe indray ny kaominina Andranonahoatra,

distrikan’Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Dokotera efa raikitra miara-miasa amin’ny kaominina isan-taona no nanao ny fandidiana tamin’ny fomba amerikana. Zazalahy kely am-polony no nisitraka sy nahazo tombontsoa tamin’izany nanerana ireo Fokontany mandrafitra ny kaominina. Nambaran’ny Ben’ny tananan’Andranonahoatra nandritra ity hetsika ity fa miezaka manao asa sosialy hatrany izy ireo entina hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Ho avy tsy ho ela ohatra ny fanaovany tatitra ny asa vitany tao anatin’ny kaominina nandritra ny 4 taona nitantanany mba ho fantatry ny besinimaro izany.
Pati
Legende : Nandritra ilay hetsika famoran-jaza faobe !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT