Fahasalamana

KAOMININA AMBOHIBAO ANTEHIROKA Tsisy "WC" sy trano fidiovana ny 30 %-n’ny mponina


  • Alarobia 01 Martsa 2017

Tsy manana trano fivoahana (WC) sy trano fidiovana ny 30 %-n’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka.

 Voatery nirotsaka an-tsehatra namaha ny olana ny kaominina noho izany ka tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasany tamin’ny sehatra tsy miankina no nanatanterahany izany. Toerana roa ao amin’ny fokontany Ambohibao; fokontany iray amin’ireo sivy misy ao an-toerana  no nananganana ny foto-drafitrasa momba ny fahadiovana sy fidiovana ny herinandro teo, niarahana tamin’ny Anja service.  Ahitana trano fivoahana sy fandroana io fotodrafitrasa io, misy efitrano maromaro. Ny kaominina no niantoka ny tany sy nanamora ny taratasy fahazoan-dalana nanorina ny trano raha noraisin’ny Anja Service an-tanana kosa ny fanatanterahana ny asa rehetra. Mitentina 30 tapitrisa Ar isanisany ny lelavola lany tamin’izany izay ezahina hisandrahaka manerana ireo fokontany valo ambiny. Tsiahivina fa notontosaina ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny fiangonana katolika Ambohijanahary ihany koa ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitr’Andriamanitra ho fitrotroana am-bavaka ny fanahin’ny vadin’ny Ben’ny tanànan’Ambohibao Antehiroka Razakandrainy Bezoro, taorian’ny roa taona nandaozany ny tany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT