Fahasalamana

Kaominina Alasora Nahazo fitaovana ny maternité sy ny CSB II


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Nahazo fitaovana ny CSB II sy ny maternite ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Ny fikambanana AFF na ny Andry Fototry ny Fampandrosoana no angady nananana sy vy nahitana

 

 izany izay nahita fandriana manara-penitra miisa 3 sy kidoro miisa 3 miaraka aminy mba hanampiana ireo fitaovana izay hampiasain’ireo tobim-pahasalamana ireo. Nianga tamin’ny filan’ireto tobim-pahasalamana ireto ny fangatahana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy niaraka tamin’ny aron-tava miisa 1000 sy bidon miisa 500 hampiasain’ireo mponina izay mila izany ao anatin’ny kaominina ho enti-miady amin’ny valan’aretina COVID 19. Ankoatra ny fitaovana moa dia mbola anisan’ny olan’ny CSB II sy ny maternite Alasora ny tsy fahafahana mandray an-tanana ireo olona mila fandidiana izay tsy maintsy alefa maika eto an-drenivohitra. Isaorana an’Andriamanitra hoy ny Ben’ny tanana fa efa manana fiara fitondrana marary izy ireo saingy na izany aza hoy izy dia efa tokony hanana ireny hopitaly goavana ireny ny kaominina Alasora izay tantanany hahafahana mamaha ny olana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT