KAOMININA ALASORA

Nahazo fiara fitondrana marary sy kamiao hitateran-drano


  • Zoma 06 Septambra 2024

Fararanon-danonana ny teny amin’ny Kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano omaly Alakamisy 05 Septambra.

Nahazo fiara fitondrana marary na ambulance mantsy izy ireo, fanomezana avy amin’ny Eglise Othodoxe de Madagascar. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia efa nanana ambulance ihany izy ireo teo aloha fa kely no sady simba. Mercedes no marik’io fiara io ary tsy nahitana piece mihitsy raha tsy manafatra any Grece. Tsy afaka miandry anefa ny fahasalamam-bahoaka indrindra ny hamaroan’ireo olona mila izany tra-doza eny amin’ny By pass ka nangataka fanampiana tany Mgr Ignatios Paulos izay mpitarika ny Eglizy Orthodoxe ny Ben’ny tanana. Tao anatin’ny 2 volana monja dia nivaly ny fangatahana ka nahazo fiara Sprinter vaovaobe izy ireo izay natolotra tamim-pomba ofisialy omaly. Ankoatra ity farany dia tsy niandry ela ihany koa ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ireo mpanolontsaina ao aminy fa nitady vahaolana mikasika ny tsy fisian-drano mandavan-taona mahazo ireo Fokontany miisa 4 ambony toerana ao amin’ny faritra iadidiany. Voakasik’izany ny Fokontany Miadana, Mahitsy, Ambohitromby ary Alasora. Miditra ao anatin’ny fotoanan’ny maintany rahateo isika. Nividy kamiao hitateran-drano ho an’ireo mponina ao anatin’ireo Fokontany miisa 4 ireo ny kaominina hanalana fahasahiranana azy. Hatreto mantsy dia kamiao iray isan-kerinandro avy amin’ny JIRAMA monja no mba tonga manatitra rano eny amin’ireo toerana avo ireo. Ny fampanantenana nataon’ny fanjakana ny amin’ny hametrahana siniben-drano ao an-tampon’Alasora etsy an-daniny tsy mety misy vokany noho ny fitadiavan’ireo orinasa handray ny tolo-bidy vola avo roa heny amin’ny omen’ny Fanjakana. Tsy maintsy mitady vahaolana ho an’ny mponin’Alasora izahay hoy ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Mbola kamiao fitaterana fako ihany koa mantsy no nampiasain’izy ireo nitaterana rano hamatsiana ny mponina teo aloha.
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana notanterahina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT