Kambana niraikitra

Voasaraka soa aman-tsara i Tahinjanahary sy Fanambinantsoa


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Tontosa soa aman-tsara ary nahitana fahombiazana afak’omaly Alarobia 07 Aogositra

ny fandidiana sy fampisarahana ireo zazakely kambana mirahalahy niraikitra (siamois), antsoina hoe : Tahinjanahary sy Fanambinantsoa, tao amin'ny Hopitalim-panjakana CHU-JRA Ampefiloha. Raha tsiahivina kely dia zazalahy kely roa telo volana sy tapany izy ireo, avy any amin'ny Kaominina Atsimadilo, Distrikan’ Arivonimamo. Noraisin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka an-tànana ny fikarakarana azy ireo nanomboka tamin'ny fahaterahany ka hatramin' izao fandidiana fampisarahana azy ireo izao. Marihina fa tsy maintsy niandry azy ireo ho ampy lanja vao niroso tamin'ny fandidiana ny tompon’andraikitra. Mpitsabo maro no niara-nisalahy nanantotosa izany. Mitohy hatrany kosa arak'izany ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso akaiky azy roalahy kely ireto.
Pati
Legende : Tafasaraka soa aman-tsara tahaka izao izy mirahalahy kely ireo raha niraikitra teo amin’ny valahany sy ny fitombenany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT