Julia Rakotomalala,

mpitsabo amin’ny Qi Gong


  • Alatsinainy 19 Janoary 2026

Ny ahiahy amin’ny «sao dia…?»

hatrany no mampihitsoka antsika»
Efa taona maromaro izay no nampianarana ny atao hoe Qi Gong teto Madagasikara, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ity taranja ity eto Madagasikara, Julia Rakotomalala. Kolontsaina sinoa izy io, hoy ny fanazavàny, ary filozofia ao anatiny ny fiheverana fa azo akàna hery avokoa ny zavaboary rehetra na zava-maniry io na biby na inona. Mifameno sy mifanohitra ny zavatra rehetra ary izay no mahatonga ilay hoe Ying sy Yang. Mifameno sy mifanohitra, ohatra, ny lanitra sy ny tany na ny masoandro sy ny volana na ny voa sy ny rà. Ny fampifandanjàna izay rehetra izay no ahafahana manatsara ny fahasalamàn’ny olona. Fitsaboana nentim-paharazana sinoa ilay izy ary amin’ny alalan’ny famantarana ny lasan’ilay olona aloha. Io olombelona io izany tsinona hatramin’izy teraka, zaza, ankizy, adolantsento mandra-paha lehibe no nisy olana. Ny aretina rehetra dia saika «psychosomatique» na vokatry ny fikorontanan-tsaina. Izany hoe vokatry ny fikorontanan’ny saina no mahatoga ny fikorontanan’ny vatana. Misy fomba fiaina na «respiration» tokony amboarina, noho izany, izay matetika tsy voasainantsika. Rehefa tsara avy eo ny fiainana vokatr’izay fahaiza-miaina izay dia mandositra anao ny aretina ary ny vatana koa tomady. Izany no mahatonga ny sinoa ela velona sy na efa antitra aza dia mbola «souple» satria mahay miaina dia salama ny vatana. Misy fiantraikany amin’ny fiainam-pireneny ihany koa izany satria firenena matanjaka indrindra izao i Chine. Ny ahiahy amin’ny «sao dia…?» hatrany no mampihitsoka antsika malagasy, hoy hatrany fanazavàny. Isan’ireo handray anjara amin’ny hetsika momba ny fanatsaràna fiainana etsy amin’ny Centre le Gaïa Androhibe ny 23 hatramin’ny 25 janoary izao moa ity mpitsabo ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT