Fahasalamana

Isotry sy ny manodidina Nodiovin’ny CUA sy ny dorkasy FJKM


  • Talata 10 Oktobra 2017

Nanao fanadiovana faobe tetsy Isotry sy ny manodidina ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Vehivavy Dorkasy FJKM niaraka amin’ ireo vehivavy izay efa nitoriana filazantsara teny Isotry omaly.

Ny mpitandrina Trimozafy Dinah, izay filohan’ny dorkasy eo anivon’ny sahan’ny fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara moa no nitarika ny asa. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ny fidinana nanaovana fanadiovana teny an-toerana. Hita teny daholo ny mpanadion’ ny boriboritany voalohany rehetra sy ireo avy ao amin’ny Bmh ary ny sampadraharan’ny sosialy avy ao amin’ny kaominina Antananarivo , miampy ireo vehivavy 40 izay avy ao amin’ny Dorkasy. Rehefa izany dia natao ny fanadiovana, nontosahan’ny BMH ranom- panafody ihany koa ny toerana. Nanambaran’ny mpitandrina Trimozafy Dinah fa ny antony nanaovany izao fanadiovana izao dia matsiaro manana andraikitra ry zareo, indrindra amin’izao vanim-potoana fimparitahan’ ny pesta izao, ary fanomboana fotsiny ny omaly fa mbola hisy ny tohin’ny fanadiovana .Nanamafy koa izy fa tsy atao vonjy tavanandro ny fanadiovana izay ataony fa iainana satria rehefa madio ny ao anaty dia miseho amin’ny olona any ivelany.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT