Fahasalamana

IMRA Avarabohitra Itaosy Ilaharana ilay “kit” miaro amin’ny coronavirus


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Vetivety monja dia tonga teny amin’ny IMRA misy an-dRatsimamanga, foibe fanaovana fikarohana momba ireo zava-maniry eto amintsika havadika ho

 

 

fanafody ny ankamaroan’ny olona. Filaharam-be sahady no hita teny an-toerana omaly nividy sy nikaomandy ilay « kit »  ahitana karazam-panafody sy evoka ary savony miaraka amin’ny tampim-bava anaty sachet plastika efa vonona iray amin’ny vidiny 27.000 Ar. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRtoa Haingo Rakotoson, talen’ny varotra eo anivon’ny Soamandina izay miara-miasa amin’ny IMRA dia fanafody efa nampiasaina 45 taona lasa avokoa ireo nanaovaon’izy ireo fikarohana fanindroany ireo indray ka nojerena avokoa ireo « molécule »  tao anatiny ary nohatsaraina. Natambatra izy ireo ary hita fa miaro amin’ny tsimok’aretina Coronavirus ahitana sirop, evoka, savony fanasan-tanana tampim-bava ho an’ireo olona miasa, gel famonoana mikraoba fanosotra amin’ny tanana, fanaovana gararaka….. Tanjona ny hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana ao anatin’ny olona, indrindra fa ireo mora voan’ny gripa matetika. Ny orona sy ny tenda moa no tena mila diovina sy arovana amin’ireo karazam-panafody ireo, indrindra fa ny evoka sy ny gararaka hahafahana mamono ilay tsimok’aretina. Tsiahivina fa afaka mampiasa ity “kit” ity ihany koa ireo marary efa tratran’ny coronavirus hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana ao anatin’izy ireny.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT