Fahasalamana

Imbiki Herilaza “Tsy hanao andrana vaksiny any am-ponja izany isika”


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Nisy ireo voafonja voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid 19 ka nandraisana an-tanana ny fizahana. Hatreto dia betsaka ny fepetra noraisina mba tsy hidiran` ny aretina ao amin` ny voafonja: fitokana monina, hevoka faobe… Mandeha anefa ny resaka mandeha mahakasika ny voafonja fa hanaovana andrana mahakasika ny aretina covid-19.

 

 

 

 

 Nivoy hatrany mantsy fa rehefa voafonja dia very ny zo amin` ny maha olom-pirenena azy. “Mila mahay manavaka ny atao hoe voafonja ny rehetra”, hoy Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin` ny ministeran` ny Fitsarana, raha nanontaniana mahakasika izany. Misy ny voafonja vonjimaika izay mety nahazo fitsarana ka mety nanao fampiakarana na fandravana. Midika izany fa tsy raikitra ny fanapahana raisin` ny fitsarana. Misy kosa ireo nahazo didim-pitsarana raikitra. Ka mahakasika ireto farany no hoe very ny “droit civil et politique” ( tsy mahazo mifidy, tsy mahazo milatsaka hofidiana). Very izay zo izay izy saingy tsy very zo amin’ny maha olombelona akory ary tsy mitovy velively izany, hoy izy. Namafisiny fa “tsy hanao “experimentation” mihitsy ny ministeran` ny fitsarana. Miala amin`ny “protocole” amin` ny ady amin` ny COVID-19 ny fanjakana raha miroso amin` izay”Nambarany ihany koa fa tafiditra ao anatin` ny politikan` ny ministera ny fanajana ny zon` ny olombelona amin` ireo voafonja (humanisation de la detention) miisa 28 000 eto Madagasikara.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT