Fahasalamana

Ikalamavony Mpitsabo 36 misahana olona 15.700


  • Talata 12 Mey 2020

Misedra olana ireo mponina any amin’ny distrikan’Ikalamavony amin’izao, 100 km miala ao Fianarantsoa.

 

 

 

 

 

Tsy ampy fitaovana mantsy ny CSB II ao an-toerana no sady tsy ampy ihany koa ireo mpitsabo hany ka tsy voaray an-tanana ara-dalàna ireo marary. Mahatratra 600.000 Ar anefa no hanofana fiara iray avy ao Ikalamavony mankany Fianarantsoa mba hitondrana marary. Mahatsiaro ho sahirana ireo reny miandry vohoka noho izany ankoatra ireo marary mila fandidiana maika. Hetahetan’ny mponina any an-toerana ny mba hamatsiana toeram-pandidiana azy ireo. Toraka izany ihany koa ny fampitomboana ny isan’ny mpitsabo izay 36 monja misahana mponina 15.700 mahery. Tsiahivina moa fa ankoatra ny aretina tazo dia misy ilay aretina antsoina hoe : hemorragie digestive ihany koa no mamely ny mponina any an-toerana amin’izao. Aretina any amin’ny lalan-kanina any izy ity. Tsy mandeha any amin’ireo taova tokony alehany ny sakafo rehefa hanina raha toraka izay ihany koa ny maloto ka mety liana fandidiana ihany koa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT