Fahasalamana

Hopitaly miaramila eny Ampahibe Mampiasa fitaovana avo lenta


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Notokanana ny sabotsy teo tetsy Ampahibe ny hopitaly miaramila faritra voalohany na ny Infirmerie de Garnison teo aloha. Ny filoham-pirenena,

Hery Rajaonarimampianina moa no tonga nitokana izany teny an-toerana ary niaiky fa anisan’ireo vitsy mba tsy ilazana hoe tsy misy amin’ireo hopitaly eto an-toerana no manana fitaovana avo lenta fanaraha-maso ireo marary any anaty efitrano fameloman’aina. Ity hopitaly ity anefa misy izany, hoy izy. Ankoatr’izay moa dia ahitana efitrano fandidiana maromaro koa ny hopitaly, raha ny fanazavana hatrany. Mitsabo ny miaramila sy ny sivly ity hopitaly ity, misy ao aminy ny sampandraharaha momba ny vonjitaitra (urgence), ny fitsaboana nify, ny departemanta iray miandraikitra manokana ny fanaintainana azo avy amin’ny homamiadana. Hita eny amin’ity hopitaly miaramila ity ihany koa ny laboratoara arifomba fanaovana fitsirihana maro samihafa. Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny ilay hoe fitsaboana manatona vahoaka ny fanavaozana ity  fotodrafitrasa teny Ampahibe ity. Tsy mbola vita ny asa ka mampirisika anareo aho mba hazoto sy hanohy ny ezaka hatrany, hoy ny filoha Rajaonarimampianina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT