Fahasalamana

Hopitaly manara-penitra ao Toamasina Tsy ampy ny respirateur hamonjena ireo marary


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Mbola tsy manana ilay fiara 4x4 toy ny hitantsika eto an-drenivohitra misy ilay soratra COVID 19 ireny ny foibem-pibaikoana na ny CCO ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka raha araka ny fantatra.

 

 

Tena mila izany anefa izy ireo tompon’andraikitra any an-toerana hahafahana mitatitra haingana ny valin’ny fitiliana hatao amin’ireo ahiahiana ho mitondra ny tsimok’aretina eny anivon’ny Institut Pasteur. Anisan’ny mampihisatra ny asa fitsaboana hatao any an-toerana mantsy izany raha araka ny loharanom-baovao azo. Ankoatra izay dia tsy manana aron-tava hisoloana matetika koa ny mpitsabo raha olana ny resaka respirateur hamonjena ireo marary tena sempotra. Tsy manana ilay fitaovana fitsapana hafanana ihany koa ireo tompon’andraikitra manao ny sakana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny hahafahana mamaritra ny hafanan’ny olona iray. Miantso ny hijeren’ny Fitondram-panjakana izany rehetra izany araka izany ireo tompon’andraikitra any an-toerana hahafahana mifehy haingana ity areti-mandoza ity. Tsiahivina moa fa Fokontany 20 ao Toamasina no ahitana ny tsimok’aretina COVID 19 ankehitriny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT