Fahasalamana

Hopitaly Loterana Ambohibao Notolorana “Concentrateurs d'oxygène”


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Ady iraisana sy mila ifandrimbonana ny ady amin’ny coronavrius amin’izao fotoana izao,

 

 

 

 ka mandray anjara feno araka izay azony atao amin’izany ny hopitaly tsy miankina mitsabo ireo marary. Noho izany indrindra, notoloran’ny Fanjakana “Concentrateurs d'oxygène” entina hitsaboana ireo marary izay mila izany ny Hopitaly Loterana Ambohibao omaly 31 martsa. Nanolotra ireo fitaovana ireo tamin'ny anaran'ny Filoham-pirenena ny Sekretera Jeneraly eto anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika, Ramonjavelo Valery, niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka, Pr. Rakotovao Hanitrala Jean Louis ary ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Efa tamin'ny taona 2020 no nifanome tanana tamin'ny fitondram-panjakana ny Hopitaly Loterana Ambohibao nandray ireo marary voan'ny COVID-19 ary efa nahazo fampiofanana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalam-bahoaka ireo mpiasan'ny fahasalamana ao an-toerana. Isan’ireo Hopitaly tsy nikely soroka, ary nisy mpiasa lasibatra sy lavon’ny coronavirus aza noho ny adidy tamin’ny mpiray tanindrazana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT