Fahasalamana

Hopitaly Itaosy Nahazo efitrano fandidiana manara-penitra


  • Zoma 11 Aogositra 2017

Anisan’ny tanana be mponina indrindra ho an’Antananarivo Atsimondrano ny tanànan’Itaosy.

 

Mahatratra  444.167 mantsy ireo mponina ao aminy, misandrahaka amina kaominina miisa fito manodidina dia Ambavahaditokana, Bemasoandro, Itaosy, Andranonahoatra, Ambohidrapeto ary Fiombonana sy Ankadimanga.  Mba ho fanampiana azy ireo ary indrindra fa ireo marary mila fandidiana sy ireo vehivavy saro-piterahana dia natsangana ao amin’ny hôpitaly CHRD Itaosy,  ny efitrano fandidiana manara-penitra. Omaly no nanokanana tamim-pomba ôfisialy ny foto-drafitrasa, notarihin’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka ny profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana. Ankoatra ireo marary mila fandidiana maika dia hahazo tombontsoa manokana amin’izao foto-drafitrasa izao ihany koa ireo ankizy latsaky ny 15 taona manana fahasembanana ara-batana. Anisan’ireny ireo bingo tokony hahitsy, ireo mivadi-tongotra…Ahitana efitrano fandidiana,  famohazana,  fanadiovana fitaovana, misy oksizena, fametahana platre ary efitrano  fanaovana fizarana mihetsika na “reeducation fonctionnelle” ity foto-drafitrasa iray ity. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Christoffel Blindenmission sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no angady nananana izany rehetra izany. Mitentim-bidy 170.000 Euros kosa ny lela-vola lany  tamin’izany. Efa misy moa ireo mpitsabo  vita fiofanana hitantana sy handray marary eo anivon’ity trano fandidiana vaovao ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT