Fahasalamana

Hopitaly Itaosy Maimaim-poana ny fizahana momba ny fo anio sy rahampitso


  • Alakamisy 11 Novambra 2021

Olona 50 amin’ny 150 tonga namonjy ilay fizaham-pahasalamana maimaim-poana mikasika ny aretim-po natao tany amin’ny kaominina ambanivohitra Talatavolonondry, distrikan’Avaradrano no fantatra fa lasibatr’ity aretina ity avokoa.

 Lafo dia lafo anefa ny saran’ny fitsaboan-tena ankoatra ny fanafarana ireo karazam-panafody avy any ivelany. Antony maro no mahatonga ny aretim-po raha araka ny fanazavana azo. Lohalaharana amin’ireny ny fiakaran’ny tahan’ny diabeta anaty vatana. Eo ihany koa ny fiakaran’ny tosi-dra izay mety ho vokatry ny fifohana sigara, ny hatavezana diso tafahoatra ka miteraka ny kolesteroly ary ny tsy fanaovana fanatanjahantena. Mba hahafahana manampy ny mpiara-belona manoloana ity aretina iray ity ary dia fantatra fa nitohy omaly tao amin’ny hopitaly Itaosy, Antananarivo Atsimondrano hatramin’ny anio Alakamisy ilay hetsika fizaham-pahasalamana momba ny fo. Ny fikambanana Tia Aina organization no handray an-tanana izany, manana tanjona hanampy sy hanohana ny mpiara-belona indrindra fa ireo tena sahirana. Omaly fotsiny dia am-polony maro ireo olona tonga nanatona ity hopitaly iray ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT