Fahasalamana

Hopitaly HJRA Tsy miova ny tahan’ireo olona tonga manatona azy


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Tsy niova ny isan’ny olona tonga nanatona ny hopitalim-panjakana HJRA etsy Ampefiloha na dia eo aza ny fisian’ny tsimok’aretina coronavirus na ny COVID 19 .

 

Raha araka ny fanazavan’ny profesora Rakoto Alison Oliva, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity hopitaly ity mantsy dia manatona hatrany ny olona na dia hanontany fotsiny aza, indrindra fa ireo mila fitsaboana. Ankoatra ireo lasibatry ny lozam-pifamoivoizanay na ny loza eny an-dalambe sy ao an-tokantrano dia misy ihany koa ireo olona mamono tena na tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo izay in-droa isan-kerinandro raha kely indrindra raha araka ny loharanom-baovao. Na izany aza anefa dia fantatra kosa fa mametraka ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ny hopitaly toy ny fakana hafanana ireo olona miditra ao aminy eo am-bavahady, ny fanosorana ny gel amin’ny tanana hamonoana ny mikraoba sy ny bibikely ary farany izay tsy kely akory dia ny fanaovana ny aron-tava. Mbola mipetraka ihany koa ny fepetra ny amin’ny tsy fahafahan’ireo mpamangy mijery ny havany ho fitandroana ny fahasalaman’ny roa tonta.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT