Fahasalamana

Hopitaly HJRA Notsenaina tamin-kafaliana Pr Ahmad


  • Talata 25 Aogositra 2020

Niverina nandray ny andraikiny amin’ny maha-pitsabo azy ny Pr Ahmad Ahmad, izay Minisitry ny fahasalamana teo aloha.

 

 

 

 Tamin-kafaliana no nandraisan'ireo mpiara-miasa aminy tao amin'ny sampana "Radiologie" HJRA azy omaly. Nirantiranty ny sora-baventy amin’ny teny vahiny hoe : « Welcome back» na hoe: “Tonga soa indray” nentina nitsenana ity Profesora ity, izay niteraka adihevitra ho an’ny mpanara-baovao ny fanesorana azy. Midika izao, fa na tsy tonga lafatra aza ity minisitra teo aloha ity tamin’ny asany sy ny andraikitra notanany, dia nanao ny ainy tsy ho zavatra, notohanan’ny besinimaro ny zavatra nataony,… Tsy mba izany kosa ny setriny ho an’ny Mpitondra firenenana fa fanesorana satria tsy nifaranaraka tamin’ny kajikajy politikany ny nataon’ny minisitra fa mety niasa tamin’ny maha teknisianina sy siantifika azy. Maro ny naneho ny alahelony sy ny hatezerany tany anaty tambajotran-tserasera tamin’ny fanesorana ity minisitra ity, saingy mandalo tokoa angamba ny toerana. Tsy izay tian’ny vahoaka rahateo no atao, raha ny fihetsika sy hafatra ankolaka tian’ny Fanjakana haseho, saingy hafa ihany ilay hoe : aleo halan’andriana, toy izay halam-bahoaka e !

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT