Fahasalamana

Hopitaly HJRA Natoka-monina ny mpiasan’ny Service Oncologie...


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Marary iray avy tany Toamasina no niditra hopitaly ny alakamisy 7 mey teny amin’ny amin’ny Hopitaly HJRA ary maty 9 mey, raha ny vaovao azo. Mikatona 5andro izao ny Service Oncologie nisy azy, ka misy mpiasa sy marary arympiambina marary mihiboka tsy mahazo mivoaka ao,

 

raha ny loharanom-baovao.13 ry zareo no voalaza fa mihidy ao. Efa mararin’ny Cancer ilay olona dia nisy ilay olona manao “combinaison” fotsy ireny tonga tao tamin’ny zoma haka singa hanaovana fitiliana ilay marary, dia izy maty ny sabotsy izay, hoy ny fanazavana. Raha halalinina, dia ahiana ho nisy coronavirus izany io olona io, ka andrasana izay mety ho valin’ny fitiliana na fanampim-panazavana miainga avy amin’ny hopitaly. Voalazan’ny loharanom-baovao, fa ny “Chimiothérapie” tokony natao tamin’ity herinandro ity nahemotra daholo fa asiana ranom-panafody avokoa ny Service Oncologie. Efa nisy moa naoty nivoaka fa « mise en quarantaine » ny mpiasan’ny Service Oncologie.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT