Fahasalamana

Hopitaly HJRA Nanome ra maimaimpoana ireo mpino Silamo


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Mbola tsy miverina amin’ny laoniny hatreto ny isan’ireo mpanome ra tonga manatona an-tsitrapo etsy amin’ny foibe nasionaly misahana ny famindrana ra etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

 

 

 Mijanona ho 120 paosy isan’andro anefa ny filan-dra eto amintsika antony nanosika ireo mpino Silamo hanatanteraka izany asa soa izany. Nanolotra ra maimaimpoana ho an’ny mpiara-belona izy ireo ny sabotsy teo, hetsika efa fanaony isan-taona. Tanjon’izy ireo ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny tompon’andraikitra amin’ny fitadiavana ra ho an’ireo vehivavy saro-piterahana nodidiana ka mila ra ankoatra ireo marary mafy mila izany. Ireo mpino Silamo eo anivon’ny CRA Antohomadinika moa no nanatanteraka izany izay marihina fa mitaiza sy manabe ireo zaza kamboty sy tsy misy mpiahy ihany koa.

 Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT