HOPITALY HJRA

Mila paosin-dra 90 isan’andro


  • Zoma 14 Jona 2024

Ampefiloha Mila paosin-dra 90 isan’andro eo ho eo raha kely ny hopitalim-panjakana HJRA Ampefiloha,

raha ny loharanom-baovao azo. Manodidina ny 60 paosy tany ho any io filana io tany amin’ny taona 2022 saingy mitombo araka ny isan’ny mponina sy ny zava-mitranga. Ireo vehivavy miteraka ka very ra be sy nandalo fandidiana ary ireo olona marary mafy no tena mila izany amin’ny ankapobeny. Na izany aza anefa dia mbola vitsy ireo olona mazoto manome ra maimaim-poana eto amintsika. Hankalazaina anio Zoma 14 Jona ny andro manerantany ho an'ny mpanome rà. Ndao hifanohana sy hifampitsinjo amin'ny alalan'ny fanomezan-drà. Io no loha-hevitra nitondrana ny hetsika izay hanentanana ireo mpiara-belona afaka manome ra maimaim-poana rehetra. Eny amin'ny CRTS Analamanga CHU HJRA no hanatanterahana izany manomboka amin'ny 8 ora maraina. Fantatra moa fa isan'andro dia misy foana ireo marary mila rà hoy ny fanazavana azo. Ao ireo niharan’ny lozam-pifamoivoizana, ao ireo olona voan’ny homamiadana sy ny drépanocytose ary ireo marary mila fandidiana. Olona mihoatra ny 50 kg, salama tsara, tsy bevohoka ary tsy tonga fadim-bolana no afaka manome ra raha tsiahivina.
Pati
Legende : Mahasalamana ny manome ra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT