Fahasalamana

Hopitaly HJRA Hohatsaraina ny famatsiana fanafody


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Anisan’ny mampitaraina ny mpanjifa hatrany tato ho ato ny fisian’ny filaharana amin’ny fividianana fanafody ao amin’ny toeram-pivarotam-panafody eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

 

 

 

Misy amin’ireo marary mantsy no efa sahirana amin’ny fiandrasana izany. Nanambara omaly Atoa Solomahefa Gaetan, tale jeneraly misahana ny tolotra ara-pitsaboana eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa efa tena miezaka izy ireo. Izany no antony nametrahana ireo guichet miisa fito ao amin’ny hôpitaly HJRA, hoy izy, asa hiandraiketan’ny Arovy ny marary ka ny telo amin’ireo no miasa amin’ny andro alina sy ny andro tsy fiasana. Misy ihany koa ny fivarotam-panafody natokana ho an’ny sampandraharaha isanisany ka anisan’ireny ny oncologie izay efa manana ny azy, ny an’ireo izay hodidiana any amin’ny toeram-pandidiana, ny an’ireo miditra ao amin’ny vonjitaitra. Nankalazaina omaly ny faha-20 taonan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Anyma sy ny hopitaly HJRA Ampefiloha amin’ny fivarotana fanafody ho an’ny marary. Tanjon’ny roa tonta ny hanao ny tsara kokoa hatrany. Tsiahivina fa  marary 1.519 isa tamin’ny 1.909 no nisitraka ny tolotry ny fanafody tao amin’ity hopitaly ity nanomboka ny volana janoary lasa teo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT