Fahasalamana

Hopitaly HJRA Ampefiloha Zaza sima sy vaky lanilany 30 nodidiana maimaimpoana


  • Talata 23 Aogositra 2022

Tafakatra an-tapitrisany ny vola lanin’ny Ray aman-dReny iray amin’izao raha handidy ireo zaza sima na sanatria vaky lanilany.

Mitaky manam-pahaizana manokana mantsy ny fandidiana azy ireny ankoatra ireo fikarakarana maro samihafa tsy maintsy hatao.Zaza sima na vaky lanilany mihoatra ny 30 no nahazo fandidiana maimaim-poana tao amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha nanomboka ny 15 hatramin'ny 19 Aogositra lasa teo. Izany no natao dia mba hahafahana manampy ireo olona tsy manana fahefana ny hisitraka fandidiana ny sima na vaky lanilany. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny Operation Smile in Madagascar no nifanome tanana tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nentina nanatanterahana izany. Tsiahivina moa fa anisan’ny vaindohan-draharahan’ny ministera ankehitriny ny fanatsarana hatrany ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano.

Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT