Fahasalamana

Hopitaly HJRA Ampefiloha Tsy handoavam-bola ny fandidiana ny marary


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Nitondra fanazavana manokana mikasika ny fandidiana ireo marary eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo ny profesora Rakoto Alson Olivat.

 

Nambarany fa tsy handoavam-bola na dia ariary aza ny fandidiana marary ao amin’izy ireo na iza na iza. Na izany aza, tsy maintsy hiantohan’ireo manana ny marary ny kojakoja toy ny oxygène, ny ampahany amin’ny trano hipetrahana mandrapahasitran’ilay marary ho an’ireo efitrano aloha vola ary ny fanafody ilaina rehetra. Tafiditra ao ny aron’akanjo ho an’ny dokotera mpandidy sy ny mpampatory. Ho an’ity farany manokana, notsindrian’ny profesora Olivat  fa hisorohana ny fifindran’ny aretina no antony tsy maintsy hividianan’ny tompona marary ilay aron’akanjo ho an’ny mpitsabo. Diso marefo loatra ny mararintsika ka tsy maintsy arovana ny ainy noho izany natao laharam-pahamehana mihitsy ny resaka fahadiovana. Notsiahiviny manokana fa anisan’ny antony mampasiaka ireo mpiandry varavarana ihany koa izany ho an’ireo mpitsidika ny marary, indrindra fa ny eny anivon’ny sampandraharaha fameloman’aina.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT