Fahasalamana

Hopitaly HJRA Ampefiloha Telo no namoy ny ainy nandritra ny fety


  • Talata 22 Mey 2018

Telo no namoy ny ainy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny pentekosta lasa teo tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Ny iray tamin’izy ireo matin’ny toaka vokatry ny fisotroana diso tafahoatra.

Ny iray kosa maty voatsatok’antsy noho ny adiady sy ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ary maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny fahatelo. Nihena io isa io raha oharina tamin’ny fetin’ny paska lasa teo. Toraka izany koa ny isan’ireo olona tonga nitsabo tena sy nandalo tao amin’ity hopitaly iray ity nandritra ny fety. 150 izy ireo raha 200 mihoatra hatrany isan-taona. Tsiahivina fa nilamina ny fankalazana ny fetin’ny pentekosta tamin’ity taona ity raha fehezina. Nisy ireo karazan’aretina nitranga toy ny AVC sy ireo ratra madinika vokatry ny fifamonoana saingy tsy namoizana aina. Ny fitohanana no nampitaraina ny maro satria saika nisy avokoa ny toerana rehetra toy ny teny amin’ny By pass hihazo an’Ambohimanambola, ny teny amin’ny Marais Masay, ny lalana nivoaka ireo lalam-pirenena rehetra noho ny hamaroan’ny mpitsangantsangana. Tsiahivina fa ny fetin’ny pentekosta tahaka izao no fotoana fanalana azy ihany koa ho an’ny rehetra ka tsy diso anjara tamin’izany ireo toerana fisotroana zava-pisotro izay saika nahavory olona marobe ihany koa ny ankamaroany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT