Fahasalamana

Hopitaly HJRA Ampefiloha Simba ny fitaovana fitarafana, voatery mivoaka any ivelany ny marary


  • Alarobia 12 Jona 2019

Andro maromaro izao no efa simba ary tsy azo hampiasaina intsony ny fitaovana fanaovana fitarafana eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha toy ny scanner izay any amin’ny fototra mihitsy no misy olana sy ny ampahany amin’ny fanaovana radio.

 

 

 Voatery mivoaka any ivelany ireo marary tsy maintsy mila izany ka ny hopitaly no miantoka ny fitondrana ilay marary amin’ny alalan’ny ambulance, izay nomarihin’ny profesora  Rakotoalison Oliva fa tsy handoavam-bola. Noho ny asa mafy efa nataon’ity fitaovana iray ity tamin’ireo olona nitsabo tena tao no anisan’ny niteraka ny fahasimbany ka misy ireo “piece” tsy maintsy mbola hafarana avy any ivelany vao hiverina amin’ny laoniny indray. Tsy voafaritra ny fotoana hahatongavany hatreto. Notsiahivin’ny profesora ho an’ireo olona  tonga mitsabo tena ao amin’ny HJRA fa iray ihany  ny olona miandry ny marary iray  raha mandeha tsiroadroa kosa ireo mpamangy hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny aretina hafa hamely ireo  marary mila fitsaboana indray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT