Fahasalamana

Hopitaly Hjra Ampefiloha Naato aloha ny famangiana marary


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Betsaka ireo olona marary na mila fitsaboana maika lasa mijanona an-trano tsy fidiny amin’izao noho ny tahotry ny coronavirus.

 

 

 

Manampy trotraka izany ny tsaho mandeha, antony nanosika ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny hôpitaly HJRA ny profesora Rakoto Alson Oliva, nitondra fanazavana mifandraika amin’izay. Nambarany fa mandray marary toy ny mahazatra hatrany izy ireo isan’andro saingy ny famangiana kosa no nofoanana aloha ho fisorohana ilay olona mivorivory mety hanaparitaka ny tsimok’aretina coronavirus. Ho an’ireo mararin’ny coronavirus dia nomarihiny manokana fa efa misy ny toerana voatokana ho azy ireny eto amintsika ary miara-miasa amin’ny hôpitaly rahavavy namana rehetra ny HJRA. Tsy tokony hijanona fotsiny any an-trano araka izany hoy izy raha misy olona sendra marary na tokony hodidiana….Ho an’ny sampan-draharahan’ny vonjy aina manokana dia nomarihin’ny dokotera iray miasa ao an-toerana fa nihena kely fotsiny ny isan’ireo marary tonga tao amin’ity sampandraharaha ity hatramin’izay. Misy hatrany hoy izy ireo olona tratran’ny AVC, ireo namono tena ka nihinam-panafody tonga manatona azy ireo ohatra.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT