Tafakatra telo ireo namoy ny ainy nandritra ny fety, telo tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo. Tafakatra telo ireo olona namono tena nentin’ny fianakaviana nanatona ny hopitaly HJRA Ampefiloha nandritra ny fankalazana ny fetin’ny paska lasa teo.
Ny iray tamin’ireo dia tamin’ny alahadin’ny paska izay vokatry ny olana ara-pitiavana ary omaly alatsinainy ny roa. Nahatratra telo ihany koa ireo tratry ny aretina AVC tsy maintsy nentina nanatona ity hopitalim-panjakana iray ity ka ny roa tamin’ny alahady ary omaly ny iray. Telo hafa ihany koa no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana sakafo teny amoron-dalana. Tsy nisy namoy ny ainy izy ireo fa avotra soa aman-tsara avokoa. Ho an’ireo olona 14 isa nampidirina tao amin’ny efitrano fameloman’aina tamin’ny alahady teo dia dimy ireo nampodiana hatramin’ny omaly tamin’ny 4 ora hariva. Nihena ho fito izany omaly saingy mbola manaraka fitsaboana avokoa ireto farany. Mikasika ireo lozam-pifamoivoizana nahitana ratra kosa indray dia nahatratra 89 no naiditra tao amin’ity hopitaly ity ny alahady teo. Ny 65 tamin’ireo no efa nampodiana raha notazonina mbola manaraka fitsaboana ny 24 hatramin’ny omaly. Ny 36 tamin’ireo no naratra vokatry ny adiady…, ny 11 voadonan’ny fiara… loza tao an-trano kosa ny 13 hafa… Nihena ho 53 isa izany omaly, ka ny 17 isa tamin’ireo dia vokatry ny loza teny an-dalana avokoa. Telo kosa ireo razana naterina tao amin’ity hopitaly ity ny alahady teo. Tsy dia nisy olana loatra ny fiatrehan’ny mponin’Antananarivo ny fetin’ny paska tamin’ity taona 2018 ity tamin’ny ankapobeny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.