Fahasalamana

HOPITALY BEJOFO MAHITSY Misy hatrany ilay fitsaboana amin’ny alalan’ny tsindrona volamena


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Misy hatrany ilay fitsaboana amin’ny alalan’ny tsindrona volamena ao amin’ny hopitaly Bejofo Mahitsy. Misy ihany koa ny fitsaboana hampiasaina ny vantozy, raha araka ny vaovao azo.

Fantatra izany nandritra ny varavarana misokatra nanomboka omaly tanterahina ao amin’ity hopitalibe ao Mahitsy ity haharitra 3 andro. Ankoatra ny fanaovana fitarafana maimaim-poana dia misy ihany koa ny fitsaboana sy fanalana nify, ny fandidiana….Raha araka ny fantatra hatrany moa dia efa 40 taona ny niarahana niasa tamin’ireo dokotera Sinoa ireo dokotera miasa eo anivon’ity hopitaly ity. Voky sy ampy traikefa tsara izy ireo amin’ny ankapobeny saingy mbola tsy ampy. Miisa valo mantsy ireo dokotera ao an-toerana ka ny telo ihany no mpandidy raha mitontaly 75 isa ireo mpiasa rehetra. Tamin’ny taona 1902 moa no niorina ny hopitaly ao Bejofo Mahitsy.
Pati
Legende : Ny hopitalibe ao Bejofo Mahitsy. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT