Fahasalamana

Hopitaly Befelatanana Zaza 100 amin’ny 300 no teraka tsy tonga volana


  • Zoma 23 Novambra 2018

Zaza miisa 100 amin’ireo 300 vao teraka eo anivon’ny hopitalim-panjakana Befelatanana no fantatra fa tsy tonga volana.

 

 

 

Noho ny fananan’ireo reny mitondra vohoka tosidra avo  sy ny fananan’ny ampahany amin’izy ireny aretina mitaiza toy ny aretim-po sy ny tratrany amin’ny ankapobeny no mahatonga izany, hoy ny dokotera  Rajaonarison, pediatre eo anivon’ity hopitalim-panjakana iray ity sady lehiben’ny sampandraharaha mandray an-tanana ireny zaza menavava ireny. Misy amin’ireo zaza 100  tsy tonga volana ireo no fantatra fa tena tsy tonga volana be mihitsy, hany ka manano sarotra ny famelomana azy. Ilana kipitsony maro mantsy ny fitaovana hampiasaina amin’izy ireny, izay misy tsy ananan’ity hopitalim-panjakana iray ity. Mahatratra hatrany amin’ny 12 % amin’izy ireo vokatr’izany no mamoy ny ainy. Vahaolana aroson’ity dokotera iray ity ho an’ireo renim-pianakaviana mitondra vohoka, araka izany, ny tokony hanaraha-maso hatrany ny fahasalamana mialoha sy mandritra ny fotoana hitondrana vohoka ho fitandroana ny fahasalaman’ilay tsy manan-tsiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT