Fahasalamana

Hopitaly Befelatanana Zava-bita maro sosona no notokanana omaly


  • Zoma 23 Jona 2017

Zava-bita maro sosona no indray notokanan’ny fitondram-panjakana tao amin’ny hopitaly Befelatanana omaly.

  Vokatry ny fiaraha-miasany  tamin’ny governemanta Japoney sy ireo orinasa tsy miankina maro isan-tsokajiny no angady nananana sy vy nahitana izany ho fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ny maternité izay ezahina ho hopitaly fiterahana manara-penitra aty amin’ny faritr’i Afrika, raha araka ny fanazavan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Notokanana omaly ilay lalantsara vaovao mampitohy ireo rihina efatra ao amin’ity hopitaly ity, izay mitentina 272 tapitrisa Ar. Nolokoina  ihany koa ny rindrina, nohavaozina ny tokotany ka mitentina 201 tapitrisa Ar ihany koa ny vola lany, fanampiana avy amin’ny filoham-pirenena mivady. Mbola nanolotra finday miisa 234 ho an’ny maternité ihany koa izy ireo. Ho an’ny Centre Hospitalier Universitaire  Joseph Rasseta Befelatanana manokana izay mbola ao anatin’ny hopitaly Befelatanana ihany dia nisy  ny fanolorana fiara fitondrana marary ho azy ireo avy amin’ny  fitondrana  izay mitentina 200 tapitrisa Ar. Nohavaozina ihany koa ny sampana fitsaboana fo ankoatra ny pavillon spécial hitsaboana ny marary izay mitentina 150 tapitrisa Ar fanomezana avy amin’ny orinasa  Jovenna. Latabatra sy vidéo projecteur mitentina 10 tapitrisa Ar kosa hahafahan’ireo dokotera sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny manatanteraka fivoriana no natolotry ny vadin’ny filoha Voahangy Rajaonarimampianina tamin’izany. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny masoivoho Japonais miasa sy monina eto amintsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT