Fahasalamana

Hopitaly Befelatanana Nahazo fitaovana fameloman’aina ho an’ny zazaHopitaly Befelatanana Nahazo fitaovana fameloman’aina ho an’ny zaza


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Nahazo toeram-pitsaboana vaovao sy fameloman’aina ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 15 taona, ny hopitaly Befelatanana. Omaly no nanokanana tamim-pomba ofisialy izany, izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny vondrona Rasseta,

 

  ny pompier d’urgence international  ary ny région Aquitaine any Frantsa. Nambaran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, fa izao fotodrafitrasa izao no natsangana dia entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo renim-pianakaviana rehetra manan-janaka tsy salama, mandalo eo anivon’ity tobim-pitsaboana iray ity izay marihina fa any ambony no misy azy. Ankoatra ny vonjy taitra mantsy, hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny profesora Andriamanarivo Mamilalatiana, dia misy sampandraharahan’ny famelomanaina  faran’izay henjana ao amin’ity tobim-pitsaboana ity ary betsaka ihany koa ireo karazam-pitaovana hita ao aminy, toy ny “couveuse” izay vao natolotry ny vadin’ny filoham-pirenena omaly,  ny toerana hahafahan’ny ankizy milalao… Ezahina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena avokoa moa ireo fitaovana rehetra hampiasaina ao amin’ity tobim-pitsaboana natokana ho an’ny zaza ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT