Fahasalamana

Hopitaly Befelatanana Nahazo "couveuse" vaovao


  • Talata 13 Desambra 2016

Mahatratra 32,61 % ny tahan'ireo zaza teraka eto amintsika isan-taona ho an'ny mponina miisa 1.000.

 Voakasik'izany manokana ny eto Antananarivo toerana misy ny hopitalim-panjakana Befelatanana izay mandray zaza vao teraka 16 isan'andro raha kely miampy ireo 80 hafa voatery tazonina eny amin'ny hopitaly. Tato anatin'ny volana maromaro izay dia nisedra olana vokatr'izay hamaroan'ny mpiteraka izay ity hopîtaly iray ity ka anisan'ireny ny tsy fahampian'ny fitaovana, indrindra fa ny handraisana an-tanana ireo zaza tsy ampy lanja. Ny iray amin'ireo couveuse miisa efatra eo anivon'ity hopitalim-panjakana iray ity ihany mantsy sisa amin'izao fotoana izao no mandeha, antony nanosika ny vondrona Star hanolotra couveuse iray ho azy ireo mitentina 13 tapitrisa Ar. Omaly no nanolorana tamim-pomba ofisialy io fitaovana io notronin'ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Andriamanarivo Lalatiana. Fantatra  fa mandray zaza tsy ampy lanja miisa 400 isan-taona ity hopitalim-panjakana iray ity. Efa nahazo ny anjarany ny hopitaly Sainte Fleur tamin'ny taon-dasa, hetsika izay tafiditra ao anatin'ny fitsinjovana ny maha olona sahanin'ny vondrona Star avokoa.

.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT