Fahasalamana

Hopitaly Befelatanana Misy mitaraina ireo mpifidy fanafody maika


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

« Tena efa sao dia tsy rariny intsony ny ataon’ireto mpiasan’ny Hopitaly ato amin’ny CHUJRB (Centre Hospitalier Universitaire Joseph Raseta Befelatanana)

 ireto ! Hidin-dry zareo ny varavana ary tsy vohainy mihitsy na misy hividy fanafody « urgence » ary! Ao ihany koa ny olona mikarakara taratasin’ny marary, hividy rano ho an’ny marary,… Ny vavan-dry zareo dia hoe ny olona iray miandry marary dia ny iray miandry eo amin’ny vavahady eo! Dia ho sanatria ve ho lasa ohatran’ny any amin’ny fonja izany izy ity”, hoy ny fitarainana narahina sary tamin’ny tambazotran-tserasera. “Marina fa misy ny lalàna fa lasa Sonegaly mahazo baiko ry zareo. Mijaly ny olona sady efa manana ny tsy salama no mbola atao ohatr’izao ihany! Tsy vitan’izany fa mandeha mividy fanafody any amin’ny Farmasia ianao mbola milahatra ihany ohatran’ireny hijery fampisehoana ireny. Ny vidinn’ny fanafody tsisy mandeha amin’izay laoniny. Manontany ny vidiny ianao izao dia hoe: miverina afaka 5 minitra, rehefa tena hividy amin’izay dia ampiakarin-dry zareo ilay vidin’ny fanafody! Tena mba mila jeren’ny mpitondra fankajana akaiky izao zava-mitranga izao fa mijaly ny marary sy ny mpanaraka azy! Misaotra indrindra tompoko”, hoy io fanehoan-kevitra io. Sanatrian’ny vava fankahalana na tsy fitiavana mpitsabo sy mpiasan’ny hopitaly, fa betsaka tokoa ny fitarainana. Tsy ny rehetra anefa no manao ny ataony, ary isaorana ireo tena manao ny asany am-pahamendrehana. Mila jerena kosa ireo mampitaraina vahoaka satria tsy vao izao no nisian’izany. Mandeha ny kitakita sy ny avonavona samihafa. Tena mila fanavaozana ny tontolon’ny fitsaboana eto. Volam-bahoaka no hanaramana ny mpitsabo eny amin’ny hopitalim-panjakana. Manodidina ny 300 miliara ariary isan-taona ohatra ny tetibolan’ny Minisiteran’ny fahasalamana, izany hoe: mandany 1 miliara ariary isan’andro eo raha raisina amin’izay. Toeram-pivoahana aza anefa tsizarizary ny ankamaroany, ny marary ratsy karakara ny sasany, ny saram-pitsaboana midangana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT