Fahasalamana

Hopitaly Befelatanana Betsaka ireo mpiteraka tsy mahaloa vidim-panafody


  • Talata 15 Desambra 2020

Betsaka ireo mpiteraka tsy mahaloa ny volan’ny hopitaly Befelatanana isan-taona.

 

 

 

Lohalaharana amin’ireny ny vidim-panafody indrindra fa ho an’ireo vehivavy nodidiana natao “césarienne”. Amin’ny ankapobeny anefa dia efa tazonina ny karapanondron’izy ireny mba hahafahany mandoa tsikelikely izany saingy mbola misy ihany ireo tsy mahaefa noho ny fahasahiranana. Raha araka ny fantatra dia mahatratra 9 tapitrisa Ar isan-taona io vidim-panafodin’ny hopitaly tsy voaloha io ka miteraka fahasahiranana ho an’ny hopitaly. Fikambanana tsy miankina iray no tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo vehivavy vao tera-bao tao amin’ny hopitaly Befelatanana ny faran’ny herinandro teo. Saika nisitraka izany avokoa ny ankamaroan’ireo mpiteraka, hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT