Fahasalamana

Hopitaly Befelatanana 200 isam-bolana ireo zaza tsy salama tsaboina ao


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Mahatratra 200 isam-bolana amin’izao ireo zaza tsy salama tonga manatona ny hôpitaly etsy Befelatanana. Ankoatra ireo lasibatry ny aretin’ny homamiadana dia misy ihany koa ireo voan’ny tazo mahery, ireo teraka tsy tonga volana…

 
Ho an’ity farany manokana dia 20 ka hatramin’ny 25 isa isam-bolana eo ho eo no azon’ny fikambanana Compassion Madagascar tarihin’ny dokotera Elodie Ranjanoro raisina an-tanana eo anivon’ity hôpitalim-panjakana iray ity. Hiantohany iray manontolo ny fanafodin’ilay zaza sy ny sakafon’ny Reniny mandritra izany izay mahatratra hatrany amin’ny 15 tapitrisa Ar isam-bolana, raha araka ny fanazavana azo. Ho an-dRtoa Larissa, renim-pianakaviana iray monina etsy Namontana ohatra dia vao herinandro izao no nahatongavan’izy mianaka etsy amin’ny hôpitaly Befelatanana tohanan’ny fikambanana Compassion Madagascar. Fito volana ilay menaky ny ainy tsy salama  nefa vao 1kg sy 500 monja no lanjany raha 1 kg sy 700 tamin’ny vao teraka. Noho ny havizanan’ity Renim-pianakaviana iray ity diso tafahoatra no nahatonga izany raha araka ny fanazavany. Mba ho fanampiana ireny karazan’olona ireny ary dia vonona ny orinasa Star hanome tanana ny fikambanana Compassion. Mandritra ny herin-taona no hisian’ny fanohanana, ahitana  lela-vola 5 tapitrisa Ar isam-bolana, miampy rano voadio manokana “Eau Vive”. Tanjon’ny orinasa ny mba hahafahany manolo-tanana ny zaza tsy salama tahaka ireny ho fitsinjovana ny fiainan’ny fianakaviana Malagasy manana ny tsy salama. Tontosa omaly tetsy Befelatanana ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany. Tsiahivina moa fa raha vantany vao latsaky ny 2 kg sy sasany ny zaza vao teraka iray dia voasokajy ho ao anatin’ny tsy ampy lanja.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT