Hopitaly Befelantanana

Notsidihin’ny governemanta manokana


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Nitsidika ny reny sy ny zaza ary ireo

mpiasa ao amin’ny hopitaly Befelantanana ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy omaly 21 novambra 2025. Nosafidiany manokana ity hopitaly ity, hoy ny fampitàm-baovao, noho ny nisedràny ireny tifitra baomba mandatsa-dranomaso sy karazan-tifitra nandritry ny hetsi-bahoaka nitakiana fanavaozana ireny. Nandritry ny fitsidihana niarahan’ny lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny fahasalamàm-bahoaka, Dr Managna Moria, dia tsy nisalasala ny talen’ny hopitaly nizara sy nampahafantatra azy ireo ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny faharatsian’ny fotodrafitrasa ary ny tsy fahampian’ny mpiasa isan-tsokajiny. Nisy tamin’ireo olana nifampizaràna no nahitàna fanafana teo noho eo, raha nampanantena kosa ireo tomponandraiki-panjakàna fa tsy maintsy ho vahàna ny sisa ambiny, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray mikasika hopitaly notsidihin’ny solontenan’ny governemanta manokana omaly izay. Tsy mendrika ny malagasy sy ny hasina mahaolona raha ny toerana ipoiràn’ny aina no ratsy kolokolo, hoy ny praiminisitra, ka tsy maintsy itondràna fanovàna anaty fotoana fohy izany. Sarobidy loatra ny ain’ireo taranaka, hoy izy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT