Fahasalamana

Hopitalin’ny zaza tsaralalana Nankahery ireo mpiasan’ny fahasalamana ny minisitra


  • Zoma 03 Aprily 2020

Hentitra amin’ny fampanajana ny fahadiovana toy ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika, ny fahadiovan’ny rano ampiasaina sy ny sakafo hohanina ny eo anivon’ny hôpitalin’ny zaza etsy Tsaralalana.

 

 

 

 

Miankina amin’ny fahadiovana avokoa mantsy hoy ny tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana no hahafahana mandresy ny aretina rehetra toy ny COVID 19 izay ady iraisan’ny firenena maro maneran-tany ankehitriny. Ho an’ny hôpitalin’ny zaza etsy Tsaralalana izay sahaniny manokana dia nambarany fa hentitra izy ireo amin’ny fanentanana ireo manana ny marary sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny aretina azo avy amin’ny loto ihany koa mantsy ny aretin-kibo izay mamely ireo ankizy tsaboina ao aminy ankoatra ny aretin’ny taovam-pisefoana. Tonga nitsidika ity hôpitalin’ny zaza etsy Tsaralalana ity ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka ny profesora Ahmad Ahmad ka nambarany tamin’izany fa afa-po amin’ny fahadiovan’ity hôpitaly ity ny tenany, ary nankahery ireo mpiasa ao ary nanome toky fa hanao izay vitany amin’ny fanohanana azy ireo amin’ny asany. Marihina moa fa tsy mbola nisy ankizy voan’ny COVID 19 eto amintsika hatreto na dia mbola ambany aza ny hery fiarovana ao anatin’izy ireny.

 Pati

 Legende : Madio ny eto amin’ny hôpitalin’ny zaza Tsaralalana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT