Fahasalamana

Hopitalin’ny zaza Tsaralalana Mandray marary8 hatramin’ny 20 isan’andro ireo


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Mirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Ankoatra ny aretin’ny taovam-pisefoana izay maro mpahazo ny ankizy tokoa ary miteraka fahasemporana

 

 dia mamely ihany koa ny aretim-pivalanana. Ho an’ny hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalana na ny CHUMET dia fantatra fa mahatratra 8 ka hatramin’ny 20 isan’andro ireo zaza miditra ao an-toerana lasibatr’ireo aretina ireo ka ireo 5 taona no maro an’isa indrindra. Misy amin’ireo zaza ireo no misy lavaka ny fony, tsy nitomany hatramin’ny fotoana nahaterahany nefa tsy vita eto Madagasikara ny fitsaboana azy. Na izany aza dia miezaka ireo mpitsabo ao an-toerana ka ho an’ireo tsy tara loatra ny fotoana hahatongavany eny anivon’ny hopitaly dia saika avotra soamantsara avokoa izy ireny. Mbola olana ho an’ny hopitaly kosa anefa ny tsy fahampian’ny fandriana handraisana ireo ankizy marary. Tonga nanolo-tanana ho an’ny CHUMET Tsaralalana araka izany ny fikambanana Rotary Club izay fantatra fa hanitatra ny foto-drafitrasa ao an-toerana. Tanjona ny hahafahana manatsara hatrany ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tsy salama eto amintsika, hampihenana ny taham-pahafatesan’ny Reny sy ny zaza.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT