Fahasalamana

Hopitalin’ny zaza Tsaralalana Feno ny fandriana, lavina fotsiny ireo marary


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Miisa 51 amin’izao ireo zaza marary tsaboina etsy amin’ny hôpitalin’ny zaza Tsaralalana.

Vao teraka no kely indrindra amin’izy ireo raha 15 taona kosa ny zokiny indrindra. Aretin’ny taovam-pisefoana avokoa ny ankamaroan’ny mahazo azy ireo ka misy mihitsy ireo sempotra ankoatra ireo mivalana. Vao ny alakamisy teo dia nahatratra 18 isa ireo zaza tokony hiditra hopitaly tao an-toerana saingy ny sivy ihany no azo noraisina vokatry ny fahafenoan’ny toerana. Nalefa any amin’ny hopitaly Ambohimiandra sy Befelatanana kosa ny sivy ambiny. Mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana amin’ny fitsaboana ny zanany eo anivon’ity hopitaly iray ity ary dia nanavao ny fiaraha-miasany amin’izy ireo ny orinasa Star. Tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia fanavaozana ny fiaraha-miasa no nanatanterahany izany, fiaraha-miasa efa nisy nandritra ny valo taona. Narahina fanolorana rano voadio Eau vive packs miisa 60 isan-taona izany, miampy  “stérilisateurs” roa hahafahana manadio ireo fitaovana ampiasain’ny hopitaly.  Manodidina ny 15 ka hatramin’ny 20 isan’andro ireo zaza marary mandalo fizahana eo anivon’ity hopitaly ity. Mahatratra 2 hetsy Ar isan-kerinandro kosa amin’ny ankapobeny ny vola lanin’ireo ray aman-dreny manan-janaka marary tsaboina  eny anivon’ireo hopitalim-panjakana isan-tsokajiny  eto amintsika.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT