Fahasalamana

Hopitalin’ny zaza Tsaralalana 10 no matin’ny bronchiolite tato anatin’ny iray volana


  • Talata 12 Aprily 2022

Miisa 30 isan’andro ireo zaza miditra hopitaly ao amin’ny hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalana tato anatin’ny iray volana izao.

Vao teraka ka hatramin’ny 2 taona ny ankamaroan’izy ireo raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rambeloson Setra , dokotera manam-pahaizana manokana misahana sy mandray an-tanana ny zaza eo anivon’ity hopitaly ity na pediatre.Vokatr’ilay aretina bronchiolite no mahatonga izany izay miseho amin’ny alalan’ny sery eny am-piandohana. Mikohoka ilay zaza aorian’izany ary mivadika ho lasa sempotra avy eo. Tsy valan’aretina Covid 19 anefa no mahazo ireny ankizy madinika ireny raha araka ny fanazavana azo hatrany na dia eo aza ny fisian’ilay fahasemporana. Misy amin’ireo ankizy araka izany no tsy mahazaka ka miisa 10 hatreto ireo efa namoy ny ainy tsy fidiny. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany moa dia anisan’ny antony miteraka ity aretina kohoka sy fahasemporana mahazo ny zaza ity ny fahalotoan’ny tontolo iainana eto an-drenivohitra. Lohalaharana amin’ireny ny setroka havoakan’ny kodiaran-droa na ny moto 2T izay mampiasa ireny solika tapohana menaka ireny.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT