Fahasalamana

Hopitalin’ny zaza Ambohimiandra Ny aretim-pivalanana no tena mahavoa ny ankizy


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Vitsiana sisa ireo zaza marary entin-dray aman-dreniny manatona sy manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitalin’ny zaza Ambohimiandra ankehitriny.

Efa tapitra tanteraka mantsy ilay fotoana mandomando nampahazo vahana ny viriosy manafika ny taovam-pisefoana raha araka ny fanazavan’ny dokotera David ka tsy misy intsony ireo mikohoka sy sempotra. Na izany aza anefa dia nomarihiny kosa fa mbola betsaka ireo ankizy lasibatry ny aretim-pivalanana. Vokatry  ny viriosy hafa indray  no mahatonga izany, hoy izy saingy tsy mihoatra ny 24 na 48 ora dia voafehy ny aretina ary sitrana 100 %. Nomarihiny manokana fa ilay tsy fahampian-drano no tena atahorana mafy amin’ny zaza rehefa lasibatry ny aretim-pivalanana izy ireny, antony tsy maintsy hampiasaina ilay rano nokarakaraina manokana iray sy valo. Tonga nitsidika ireo zaza tsaboina ao amin’ity hopitaly iray ity ny fikambanana Compassion Madagascar ny fiandohan’ny herinandro teo, notronin’ireo mpiasan’ny Airtel. Ny mba hahafahana mampifaly ireo ankizy tazonina ao amin’ity hopitaly iray ity no tanjona sady hampaherezana ny fianakaviany ihany koa fa tsy irery izy ireo. Narahina fizarana kilalao sy vatomamy izany notronin’ny tale  jeneralin’ny Airtel Atoa Maixent Bekangba. Hetsika efa fanaon’ity orinasam-pifandraisana iray ity moa ny fitsinjovana ny ankizy madinika tahaka izao ho fiarovana sy fanajana ny zon’izy ireny.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT