Fahasalamana

Hopitalin’ny reny sy ny zaza Tsaralalana Olona sahirana ny 80 %-n’ireo tonga mitsabo tena ao


  • Talata 23 Janoary 2018

Sahirana ara-pivelomana avokoa ny 80 %-n’ireo olona tonga mitondra ny menaky ny ainy hotsaboina etsy amin’ny hôpitalin’ny reny sy ny zaza etsy Tsaralalàna. Tsy mbola nisy tamin’izy ireo anefa, hoy ny profesora Annick Robinson, no noroahina na tsy notsaboina rehefa tsy manam-bola hamidy fanafody, fa raisin’ny “assistante sociale” avy hatrany ny fikarakarana, miankina amin’izay zava-misy eo am-pelatananan’izy ireo.

 

 Mandray andraikitra ihany koa ny mpiasa, izay efa namoaka am-paosy avokoa ny ankamaroany hoy hatrany izy. Vao tamin’ny herinandro teo, ohatra, raha araka ny fanazavany, no nisy renim-pianakaviana iray narary mafy, narian’ny mpamily taxi-be iray manoloana ny faritra misy azy ireo. Voatery nandray ny andraikiny izy ireo, araka ny fanazavan’ity profesora ity hatrany, na dia tsy andraikitr’izy ireo aza ny fitsaboana olon-dehibe. “Ny fitsaboana voalohany ihany anefa no nataonay”, hoy hatrany izy ary niantsoana ny sampana mpamonjy voina ilay marary taorian’izany, naterina teny amin’ny hôpitaly Befelatanana. Nomarihiny manokana fa tsy mbola nitaky vola tamin’ireo olona tsy nanam-bola nitsabo ny menaky ny ainy tao amin’ity hôpitaly ity izy ireo, hanonerana ny vola laniny, rehefa sitrana soa aman-tsara ilay zaza noho izany tsy marina ny feo mandeha fa nandroaka fianakaviana iray nitondra zaza marary tao aminy izy ireo ny herinandro teo.

Patty


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT