Fahasalamana

Hopitalin’ny reny sy ny zaza Tsaralalana Nahazo fitaovana hikarakarana ireo zaza sempotra


  • Zoma 03 Novambra 2017

Nahazo “nébulisateur” folo avy amin’ny fikambanana Rotary Club Antananarivo Anosy tarihin’ny filohany Voninahinjaka Andry, ny hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy Tsaralalana, omaly.

 Ireo ankizy madinika lasibatry ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny “bronchiolite” no tena ilana ireto fitaovana vaovao ireto hikarakara ireo karazana evoka hatao aminy, hisorohana ny fahasemporana. Saika lasibatry ny aretin’ny taovam-pisefoana rahateo ny 2/3-n’ireo zaza miditra eo anivon’ity tobim-pitsaboana iray ity, raha araka ny fanazavan’ny tale teknika lefitra eo anivon’ny  hopitaly  ny dokotera Lova Rakotomalala. Tsiahivina fa hetsika efa fanaon’ny fikambanana Rotary Club Anosy ny asa fanasoavana ny mpiara-belona tahaka izao izay ezahin’izy ireo hotohizana hatrany, indrindra fa ho an’ireo voasokajy ho marefo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT