Fahasalamana

Hopitalin’ny reny sy ny zaza Tsaralalana Hahazo « eau vive » 600 isam-bolana avy amin’ny Star


  • Zoma 09 Jona 2017


 

Betsaka amin’ireo Ray aman-dReny tonga mitondra zaza marary etsy amin’ny hôpitalin’ny Reny sy ny zaza  etsy Tsaralalana amin’izao no misedra olana. Noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana no anton’izany noho ny famoaham-bola hividianana fanafody…Tafiditra ao anatin’izany ny rano, indrindra fa ireo manana zaza lasibatry ny aretim-pivalalana sy ny tsy fahampian-drano. Mba ho fanampiana azy ireo dia tonga nanolotra « eau vive » 600 isa ho an’ny hôpitaly  ny vondrona Star omaly, notarihin-dRamatoa Anna Rabary, sekretera jeneraliny. Hitohy isam-bolana izany raha araka ny fantatra, fiara-miasa efa naharitra fito taona. Nisy ny fanavaozana ny Sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta nandritra izany raha tamin’ny volana Novambra taona 2016 ny farany.Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nanatanterahan’ny profesoraYannick  Lalaina Robinson,  talen’ny hôpitalin’ny reny sy ny zaza ao Tsaralalàna izany izay nanantitrantitra fa tena manampy betsaka azy ireo tokoa amin’ny fitsaboana  ireo zaza marary tonga manatona azy izao fanampiana izao. Miisa 300 isam-bolana moa raha tsiahivina ireo zaza sy ankizy tsaboina ao amin’ity hôpitaly iray ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT