Fahasalamana

Hopitalim-panjakana Tale 2 no nesorina tamin’ny toerany


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Tsy handefitra intsony amina resaka kolikoly hatao eny anivon’ny hôpitalim-panjakana ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Rakotovao Hanitraka Jean Louis manomboka izao.

 

 

 Tonga nitsidika tampoka tetsy amin’ny hôpitalim-panjakana HJRA Ampefiloha izy sy ireo delegasiona notarihiny afak’omaly Alatsinainy hariva ka nambarany tamin’izany fa tsy azo ekena intsony manomboka izao ny talen’ny hôpitaly tsy mahalala ny zava-misy ao amin’ny toerana hiadidiany. Tale 2 eny anivon’ny hôpitalim-panjakana noho izany no nalany tamin’ny toerana na dia mpandidy aza ny iray noho izy ireo mbola mankasitraka ny resaka kolikoly. Nambarany fa ny fitsaboana manaraka ny filan’ny vahoaka izao no tena tadiavina sy katsahina. Tsy azo ekena intsony hoy izy ny fisian’ny fandidiana tsy ara-dalana toy ny eny amin’ny maternité ohatra ka mety hitera-doza…. Ho an’ny hôpitaly HJRA manokana moa dia tsiahivina fa hisy ny asa fanavaozana hatao ho an’ny sampana fameloman’aina sy ny famonjena ireo tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo mba hifanaraka amin’ny filan’ny marary izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT