Fahasalamana

Hopitalim-panjakana Maty raha tsy manam-bola ny marary


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Tena mahakivy ny maro ny fandraisana an-tanana eny anivon'ireo hopitalim-panjakana maro isan-tsokajiny eo amintsika amin'izao fotoana. Maty raha tsy misy vola.

Io no azo hamehezana azy, raha araka ny fitarainana fianakaviana iray. Manomboka any amin'ny fandraisana voalohany, hoy izy ireo. Kitakita sy avonavona no handraisan'ireo ampahan'olona sasany izay tsy nolazainy. Rehefa fantatr'izy ireo anefa ny dokotera mikarakara ilay marary dia miova ihany ilay fihetsika. Izay no mampandeha tsara ny asa eny anivon'ny hopitaly tsy miankina, hoy hatrany ity fianakaviana iray ity satria na dia mety ho amin'ny fihatsarambelatsihy aza no handraisany ny marariny amin'ny alalan'ny tsikiny dia mampihodina ny orinasany. Ankoatra izay, entina avy any an-trano avokoa ny drap, ny ondana, hofaina ihany koa ny efitrano ary tsy maintsy aloa isaky ny telo andro farafahatarany. Ny tena loza dia efa mahatratra 100 mahery ny lisitr'ireo kojakoja ilaina rehefa handalo fandidiana ny mararinao. Manomboka amin’ny fitaovana madinika toy ny vovon-dandihazo arahin'ny fanafody maro samihafa izay nomarihiny fa tena tsy zakan'ny tsy manana. Nahatratra 260.000 Ar ny vola lanin'ity fianakaviana iray ity tao anatin'ny 10 andro nidirany hopitaly nefa mpiasam-panjakana ilay marary. Manomboka tsy mandray an-tanana avy hatrany ireo mpiasam-panjakana marary eto amintsika ihany koa mantsy amin'izao ny hopitalim-panjakana satria tsy mahaloa trosa, hono, ny fanjakana. Voatery nitady vola namahana ny olana ary afaka roa taona vao averin'ny fanjakana ny azy. Fanontaniana napetrak'ireto fianakaviana ireto ny hoe : raha sanatria 4-mi no marary mafy mila famonjena eny anivon'ny hopitaly dia inona no mba hataon'ny fanjakana amin'izy ireny ?

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT