Fahasalamana

Hopitalim-panjakana Eny amin’ny “cession” irery ihany no mandoa vola


  • Talata 23 Febroary 2021

Tsara ny mampahafantatra fa eny anivon'ny toeram-pitsaboana rehetra miankina

 

 

amin'ny fanjakana dia misy toerana voatokana handoavana ny saran'ny tolotra ara-pahasalamana antsoina hoe "Cession", hoy ny fampahatsiahivana avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Sahia mandà kolikoly ! Eny amin'ny "Cession" irery ihany manefa ny saram-pitsaboana manomboka izao, hoy hatrany ny fanentanana. Efa ela moa no nahenoana fitarainana fa misy mitady haka vola sy hanambaka tsotra izao kanefa ny olona efa marary na sahirana mikarakara marary, izany hoe, manararaotra ny fahamehan’ireo olona ny tompon’andraikitra sasany eo anivon’ny fitsaboana. Heverina, noho izany, fa isan’ny nandraisana fanapahan-kevitra toy izao izany ary ny haha fongotra izay fahalovana izay moa no iriana hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT