Tsy misy azo ilazana azy ho hopitalim-panjakana ny ao amin’ny hopitaliben’Androva ao Mahajanga ao raha ny fitarainan’ny renim-pianakaviana iray niara-niala sasatra tamin’ny fianakaviany tao amin’ity renivohitr’i Boeny ity.
Tsy aiko, hoy izy, na noho ny fiovan’ny rivotra na tsy fahazakana toe-tany no antony fa narary ny zanako ary nasain’ny dokotera niditra hopitaly. Rehefa tonga tao amin’ity hopitaly ity dia mba naha velom-panantenana ihany ny fandraisana dokotera maro izay tsy hay anefa na mpiana-draharaha na tena izy fa dia nanandraman’izy ireo fitaovana vaovao tao amin’ny « urgence » tao ilay zaza vao herintaona monja ary lasa raikidrafana mihitsy na « traumatisé ». Ny toeram-pitsaboana dia tsy manana afa-tsy « berceau » tsy misy ondana sy lambam-pandriana fa avy hatrany dia kidoro « cuir ». Tsy nisy fitsaboana natao ity zaza ity akory, hoy ireo ray aman-dreny nitaraina ary tsy misy fanontaniana firy fa ny fanafody no nasaina novidiana avy hatrany. Ny fitiliana natao tamin’ilay zaza fotsiny no efa manodidina ny 60.000 ariary. 50.000 ariary mahery teo koa ny vidin’ireo fanafody nasaina novidiana kanefa dia “éferalgant” ihany no nomena ilay zaza tamin’ireo. Ny fanafody sasany nisy tonga dia niteraka tsy fahazakana sakafo. Vidiana daholo ny fitaovana hampiasain’ireo dokotera toy ny “gant” sy ny hafa. Mba hampihenana ny hafanana koa dia ny lamba teny an-tanan’ny ray aman-drenin’ny zaza ihany no nasaina nolemana sy natafy azy. Efa ana hetsiny maro no vola lany tamin’izany rehetra izany, hoy izy ireo, kanefa dia mbola nakana hofan-trano tapak’andro mitentina 15.000 ariary koa. Miantso ny tompon’andraikitra, araka izany, ireo ray aman-dreny mba handray ny andraikiny sy hanara-maso ny afitsok’ireo mpitsabo sasany eto amin’ity Madagasikara ity.
J. Mirija
Legende: Misy anefa ny famatsiana ara-bola sy fitaovana omena itony toeram-pitsaboana itony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.