Fahasalamana

Hopialy Itaosy Maimaimpoana ny fitaterana ireo vehivavy hiteraka


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Anisan’ny mitondra faisana amin’izao fandalovan’ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika izao ireo vehivavy bevohoka.

 

 

 

Ankoatra ny fitandroana fatratra ny toe-pahasalamana mantsy ho fiarovana ilay zaza ao am-bohoka sy ny tena dia lasa adin-tsaina ihany koa ny fiara hitondra raha handeha hisafo na hiteraka. Nahita vahaolana mifandraika amin’izany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny UNFPA. Ny CHRD 2 eny Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano no nisantarany izany izay hanomezan’izy ireo fiara maimaimpoana hitaterana ireo vehivavy bevohoka handeha hisafo sy hiteraka. Nanomboka ny alarobia 15 Aprily teo ity tolotra ity, haharitra iray volana izany hoe : tsy hifarana raha tsy ny 15 mey ho avy izao. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ireo tokantrano miandry vahiny ao anatin’izao fiatrehan’ny firenena maneran-tany ny coronavirus izao. Ny laharam-pinday 033 28 307 08 moa no antsoina ho an’ireo izay mila izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT