Fahasalamana

Honoré Rakotomanana Tsy nahazaka hafanana ka safotra


  • Sabotsy 15 Jolay 2017

Minitra vitsy tsy ahatongavan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Solonandrasana Mahafaly Olivier, hanotrona ny ambasadaoro frantsay Dominique Vouland Aneini, hifandimby handray

fitenenana hanokatra ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena frantsay tetsy amin’ny Résidence de France Ivandry omaly no nitolefika tampoka ary dia fanina ka safotra tsy maintsy nentina novelomina kely tany ambadika tany ny filohan’ny antenimierandoholona, Honoré Rakotomanana omaly. Efa nandeha hatrany moa ny feo nilaza fa mandalo tsy fahasalamana ity lehibena andrim-panjakana iray ity saingy ireo arofenitra sy olona akaiky azy kosa dia nanamafy hatrany fa salama tsara ny tenany. Na ahoana na ahoana tokoa aloha dia taraiky ora iray be teo izao ny fiandohan’ny fandaharam-potoana teny Ivandry izay tokony ho nanomboka tamin’ny 11 ora sy sasany omaly. Efa mananika ny faha-83 taonany anefa ity filoha ity ka heverina fa manahirana ihany raha mbola ampiharetana fijoroana maharitra azy tahaka izany, ny hain’andro namely rahateo. Ny naha velom-bolo aloha dia tsy tonga lavitra ny fahasahiranana fa ora vitsy taty aoriana dia afaka niverina nanotrona ny lanonana ihany ny filohan’ny antenimierandoholona. Ny 14 jolay 2014 moa dia efa safotra teny amin’ity toerana ity ihany koa ny minisitry ny kolontsain’ny tetezamita, Voanalaroy Randrianarisoa. Tonga dia nanohy ny asany avy hatrany teny amin’ny lapan’Anosikely moa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, taorian’ny zava-nanjo azy teny amin’ny Résidence de France teny Ivandry. Nambarany nivantana tamin’ny mpanao gazety avy eo fa « naharitra ela ny fijoroana sy ny fiandrasana ny fiatombohany lanona ary teo ihany koa ny hain’andro izay namely mafy ka izany no nitarika ny tsy fahasalamana kely izay nandalo taminy”. Rehefa nojeren’ny mpitsabo teny an-toerana anefa izy, hoy ny fanazavan’ny ao andapan’Anosikely, dia tomombana avokoa ny toe-pahasalamany fa ny siramamy ihany no somary latsaka kely

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT